plt_tn/dan/12/03.md

1.2 KiB

Ireo izay hendry dia hamirapiratra toy ny hazavan'ny lanitra ambony

Ilazana ny vahoakan'Andriamanitra izany izay hizara ny fahendren'izy ireo amin'ireo manodidina azy.

Ireo izay hamerina ny maro amin'ny fahamarinana

Izany dia ilazana ireo izay manampy ny hafa hahatakatra fa nisaraka tamin'Andriamanitra izy ireo, tahaka ny hoe niova lalana tamin'izay nalehany izy ireo. DH: "ireo izay mampianatra ny hafa hiaina amim-pahamarinana"

Ireo izay mamerina... dia toy ireo kintana mandrakizay doria

Ireo olona ireo dia noharina tamin'ny kintana mamiratra. DH: "ireo izay mamerina... dia hamirapiratra toy ny kintana mandrakizay doria."

ahorony ireo teny ireo; tehirizo ho voaisy tombokase ny boky

Eto ny hoe "teny" dia manambara ny boky. DH: "akombony io boky io ary tehirizy hitombokase."

fotoanan'ny farany

"ny fara-andro" na "ny fiafaran'izao tontolo izao". Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 8:15.

Maro no hihazakazaka etsy sy eroa, ary hitombo ny fahalalana

Izany dia toa hitranga mialohan'ny "fotoan'ny farany" manditra izany fotoana izany no hanaovana tombokase ny boky. DH: "Alohan'ny hitrangan'izany, maro ny olona hivezivezy etsy sy eroa, hianatra momba ny zavatra maro hatrany hatrany." (UDB)