plt_tn/dan/11/33.md

2.7 KiB

ho lavo izy ireo

Eto ny hoe "lavo" dia maneho fahampian-traikefa amin'ny loza amin'ny karazany iray na ny hafa, tafiditra ao ny fahafatesana.

izy ireo

Ilazana ireo olon-kendry eo amin'i Israely izany.

sabatra

Eto ny "sabatra" dia maneho ady sy ady lehibe. DH: "Ho faty an'ady izy ireo."

sy ny lela afo

Eto ny "lela afo" dia maneho afo. DH: "ary amin'ny firehetana ho faty"

amin'ny fahababoana

"amin'ny fahatongavana ho andevo"

amin'ny fandrobana

DH: "Ireo fahavalon'izy ireo dia handroba azy ireo amin'ny fananan'izy ireo"

ho vonjena amin'ny famonjena kely bitika izy ireo

DH: "homen'ny hafa famonjena kely izy ireo"

Hikambana amin'izy ireo am-pihatsarambelatsihy ny maro

Ilazana ireo olon-kafa izay mody hanampy ireo olon-kendry izany, fa tsy hoe noho izy ireo tena maniry ny hanampy azy ireo.

Hikambana amin'izy ireo

Eto ny hoe "hikambana amin'izy ireo" dia maneho hoe "tonga hamonjy". DH: "ho tonga hamonjy azy ireo"

Ho lavo ny sasany amin'ireo hendry

Eto ny hoe "lavo" dia ilazana ny fanehoana loza sy ny karazany, tafiditra ao mbamin'ny fahafatesana.

ka ho avy amin'izy ireo ny fandiovana

Eto ny hoe "ka" dia midika hoe "ho vokatr'izany dia". DH: "ho vokatr'izany dia ho avy amin'izy ireo ny fandiovana."

ho avy amin'izy ireo ny fandiovana, ny fanasana, ary fanadiovana

Ireo hetsika telo ireo dia nambara ho toy ny hoe zavatra izy ireo. na izany aza, mety manambara asa izy ireo, na mivadi-drafitra na tso-drafitra. DH: "Hodiovina izy ireo, hosasana, ary hofotsiana" na "handio, hanasa, hanadio azy ireo ny fijalian'izy ireo."

Ho lavo ny sasany amin'ireo hendry... ambara-pahatongan'ny fotoana ny farany

Hitohy izany fijaliana izany ambara-pahatongan'ny fotoana izay hanapahan'Andriamanitra hevitra fa hifarana izany.

ny fandiovana

Ilazana ny fandiovana ny vy amin'ny fandrendrehana azy anaty afo izany. raha nanao ny olony hatoky kokoa Azy Andriamanitra, dia lazaina ho toy ny hoe vy izy ireo izay hodiovin'ny mpiasa kokoa amin'ny fanaovany azy anaty afo.

ny fanasana

Ilazana ny fanaovana ny olona, toerana, na zavatra hety amin'ny fampiasan'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fampisarahana azy ireo amin'ny ota na izay mety ho endrika ratsy. Lazaina hoe ratsy izay mety ho lotom-batana mety esorina amin'ny fisasana.

fanadiovana

Io hevitra io dia tena mitovy amin'ny fandiovana, noresahina teo aloha. Ny vy izay voadio dia azo lazaina ihany koa oe nofotsiana.

ny fotoana ny farany

"ny fara andro" na "ny faran'izao tontolo izao". Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 8:15.

Fa mbola ho avy ihany ny fotoana voatondro

Eto ny hoe "fotoana voatondro" dia milaza fa Andriamanitra dia mametraka ny fotoana. DH: "Nanao ny fotoana ho avy Andriamanitra."