plt_tn/dan/11/25.md

2.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.

Hamoha ny heriny izy ary ny fony izy

Hery sy fo (izany hoe, herim-po) dia lazaina ho toy ny hoe olona izy ireo izay azon'ny olona fohazina mba hampihetsika azy ireo. DH: "hahatonga ny tenany ho feno hery sy ho tonga mahery fo"

fo

Eto dia midika herim-po izany.

amin'ny tafika lehibe

"miaraka amin'ny tafika lehibe izay havondrony"

Hanangana ady

"hiady aminy"

tsy hiangana izy

Ny hoe "tsy hianganna" dia midika faharesena. DH:" ho resy ny mpanjakan'ny Atsimo" na "ho resy ny tafiny"

izay mihinana ny hanim-piny

Ilazana ny mpanolo-tsain'ny mpanjaka izany. Mahazatra ny mpanjaka ny misakafo miaraka amin'ny mpanolo-tsain'ny mpanjaka hatokisana indrindra. DH: "ny mpanolo-tsain'ny mpanjaka tsara indrindra"

Ho voafaoka tahaka ny safo-drano ny tafiny

Eto ny faharesena goavan'ny tafika dia lazaina ho toy ny tondra-drano izay mamaoka tanteraka izany. DH: "Handresy tanteraka ny tafiny ireo fahavalo" na "Hamotika tanteraka ny tafiny tahaka ny safo-drano mandrava ny zava-drehetra amin'ny lalany ny tafiny"

maro amin'izy ireo no ho lavo voavono

Eto ny hoe "lavo" dia fomba fiteny ilazana ny fahafatesana an'ady, ka ny hoe "lavo" sy "maty" dia midika zavatra mitovy. DH: "maro amin'ireo tafiny no maty an'ady"

amin'ny fon'izy ireo mikasa hifanao ratsy

Eto ny "fo" dia maneho ny fanirian'ny olona. Ny faniriana eto dia lazaina ho toy ny zavatra izay azon'ny olona apetraka na atoetra amin'ny toerana sasany. DH: "Ny tsirairay dia tapa-kevitra ny hanao ratsy ny hafa."

hipetraka eo amin'ny latabatra iray ihany

Ny fipetrahana amin'ny latabatra iray ihany dia maneho ny fihetsiky ny fifampiresahana.

saingy tsy hisy dikany izany

"fa tsy hanampy azy ireo ny resak'izy ireo"

Fa ho avy ny farany amin'ny fotoana izay efa voatondro

Izany dia miteny fa tsy hahomby ny fivorian'izy ireo. DH: "Ny vokatry ny asan'izy ireo dia ho tonga amin'ny fotoana izay nandraiketan'Andriamanitra azy ihany."