plt_tn/dan/11/20.md

1.6 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.

hisy olona hitsangana handimby ny toerany

Ny fitsanganana eo amin'ny toeran'ny mpanjaka dia maneho ny maha-mpanjaka eo amin'ny toeran'ny mpanjaka teo aloha. DH: "hisy olon-kafa ho tonga mpanjakan'ny Avaratra amin'ny toeran'io mpanjaka io."

hampandalo mpamory hetra

Ny mpamory hetra dia hanavatsava ny tany hanery ny olona handoa hetra. DH: "handefa olona mba handoavan'ny olona hetra"

ho torotoro izy

Eto ny "izy" dia milaza ny mpanjaka vaovao. Ny fahatorotoroana fia maneho ny fahafatesana. DH: "ho faty ny mpanjaka vaovao"

fa tsy amin'ny hatezerana

Mety ho dikany ny hoe 1) tsy nisy na iza na iza tezitra tamin'ny mpanjaka, na 2) izany no nitazomana tsiambaratelo ny antony sy fotoan'ny fahafatesan'ny mpanjaka.

Olona notsinontsinoavina izay tsy mba homen'ny olona ny voninahitry ny fahefan'ny mpanjaka

Mandà ny hiaiky azy ho mpanjaka ny olona satria tsy taranaky ny mpanjaka izy. DH: "ny olona izay hotsinontsinoavin'ny olona ary tsy homena voninahitra amin'ny maha-mpanjaka"

Hisy tafika iray ho voafaoka tahaka ny safo-drano eo anoloany

Ny fandraofana dia midika fahasimbana. DH: "Handrava tanteraka tafika goavana tahaka ny fandravan'ny safo-drano ny zava-drehetra eo amin'ny lalany ny tafiny."

Samy ho ringana avokoa izany tafika izany sy ny mpitarika ny fanekena

DH: "Handrava io tafika io sy ny mpitarika ny fanekena izy"

ny mpitarika ny fanekena

Io andian-teny io dia milaza ny olona izay nahafeno ny toerana manan-danja indrindra ao amin'ny fanompoam-pivavahana izay nangatahin'Andriamanitra ao amin'ny fanekeny, izay an'ny mpisorona avo indrindra."