plt_tn/dan/11/15.md

1.7 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Mitohy miresaka amin'i Daniela ny anjely.

ny mpanjakan'ny Avaratra... handraraka tany

Ny hoe "ny mpanjakan'ny Avaratra" eto nia milaza ny miaramila ao amin'ny tafiky ny mpanjaka, izay tokony hanao ny tena asa amin'ny fanaovana tovon-tany. DH: "Ireo miaramilan'ny mpanjakan'ny Avaratra dia handraraka tany mba hanaovana tovon-tany"

Ho avy ny mpanjakan'ny Avaratra

Eto ny hoe "mpanjakan'ny Avaratra" dia mampiditra ny tafiny ihany koa. DH: "Ho avy ny tafiky ny mpanjakan'ny Avaratra"

handraraka tany hanaovana tovon-tany

Izany dia ilazana ny fivangongon'ny tany mba hahatonga ireo miaramila hahatratra ny hahavon'ny rindrin'ny tanàna hahafahana manafika azy ireo. Ireo miaramila sy andevo dia tokony hanary ny tany ao anaty harona, hitondra azy ireo amin'ny toerana marina, ary handraraka izany mba hampiakatra ny tovon-tany.

fiarovana mafy

Ireo rindrina sy zavatra hafa dia naorina mba hiarovana ny tanàna na manda amin'ny fahavalo.

Tsy ho afa-mijoro izay ho avy no hanao izay iriany hanoherana azy

Eto ny fitsanganana dia maneho ny fahafahana miady. DH: "tsy ho afaka ny hijanona hiady hanohitra azy ireo"

izay ho avy no hanao izay iriany hanoherana azy

"ny mpanjaka mpibodo dia hanao izay rehetra tiany hanohitra ny mpanjaka hafa"

Hitsangana eo amin'ny

Eto ny fitsanganana dia midika fitondrana. DH: "Hanomboka hitondra ny mpanjaka"

ny tanin'ny fahatsarana

Ilazana ny tanin'Israely izany. Jereo ny nandikanao azy ao amin'ny 8:9.

ho eo an-tanany ny fandringanana

Eto ny "fandringanana" dia milaza ny hery handringanana. Ary koa, ny hery handringanana dia lazaina ho toy ny hoe zavatra azon'ny olona raisina amin'ny tanana izany. DH: "hanan-kery handringanana izy"