plt_tn/col/02/01.md

2.0 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra:

Paoly dia manohy mankahery an'ireo mpino ao Kolosia sy Laodikia mba hahafantatra fa Kristy dia Andriamanitra ary miaina ao amin'ireo mpino Izy, ka izy ireo dia tokony hiaina tahaka ny handraisan'izy ireo Azy.

halehiben'ny tolona nataoko ho anareo

Paoly dia nanao ezaka lehibe tamin'ny famolavolana ny fahadiovan'izy ireo sy ny fahatakarana ny filazantsara.

ireo any Laodikia

Izany dia tanàna izay tena akaiky an'i Kolosia toerana izay misy fiangonana izay hivavahan'i Paoly ihany koa.

sy ho an'ireo maro mbola tsy nahita ny tavako tamin'ny nofo

Eto ny hoe: "tavako tamin'ny nofo" dia maneho olona. DH: "ireo rehetra izay tsy mbola nahita Ahy manokana" na "ireo rehetra izay tsy mbola nifanatri-tava tamiko"

mba hampahery ny fon'izy ireo

Paoly dia mampiditra ireo Galatiana na dia mampiasa anarana hafa aza izy. DH: "mba hampahery ny fon'izy ireo sy ny anareo"

fampiraisana azy ireo miaraka

Izany dia midika hoe entina amin'ny fifandraisana akaiky.

ny harena rehetra amin'ny fahalalana azo antoka

Paoly dia miresaka ny olona iray toy ny hoe mahatoky tanteraka fa ireo vaovao mahafaly dia marina tahaka ny maha-mpanan-karena ny olona iray amin'ny zavatra mivaingana.

ny fahamarinana miafin'Andriamanitra

Izany dia fahalalana izay Andriamanitra irery ihany no afaka manambara azy.

izany hoe, i Kristy

Jesosy Kristy no ilay fahamarinana miafina izay ambaran'Andriamanitra.

Ao aminy ny haren'ny fahendrena sy izay fahalalana rehetra no miafina

Kristy irery ihany no afaka manambara ny fahendrena sy fahalalana marina. DH: "Andriamanitra dia nanafina ny haren'ny fahendrena sy fahalalana rehetra tao amin'i Kristy"

ny haren'ny fahendrena sy izay fahalalana

Paoly dia miresaka ny fahendrena sy fahalalan'Andriamanitra toy ny hoe harena mivaingana. DH: "ny fahendrena sy fahalalana sarobidy indrindra"

ny fahendrena sy fahalalana

Ireo teny ireo dia mitovy dika eto. Paoly dia mampiasa ireo miaraka mba hanamafisana ny fahalalana ara-panahy izay avy amin'i Kristy.