plt_tn/act/20/28.md

1.6 KiB

Noho izany

Ity teny ity dia manamarika ny fanambarana iray izay voalaza teo aloha. Amin'ty iray ity dia mitodika amin'ny zavatra rehetra nolazain'i Paoly hatreto ny lahateniny momba ny fandaozany azy ireo.

ireo ondry rehetra izay nampiandraketan'ny Fanahy Masina anareo. Mitandrema amin'ny mpiandry ondrin'ny fiangonan'Andriamanitra

Ny mpino dia ampitahaina amin'ny "ondry" eto. Ireo mpitarika ny Fiangonana dia nanakinan'Andriamanitra ny fikarakarana ny fiombonan'ny mpino, toy ny ataon'ny mpiandry ondry hikarakara ny andian'ondriny sy hiaro azy ireo amin'ny amboadia. DH: "ny vondron'ireo mpino izay nanankinan'ny Fanahy Masina anao. Aoka ho azo antoka ny fikarakarana ny fiangonan'Andriamanitra"

ny fiangonan'Andriamanitra, izay novidiany tamin'ny ràny manokana

Ny fandatsahana ny "ran'i" Kristy eto dia ampitahana amin'ny sarany aloa amin'Andriamanitra nohon'ny fahotantsika. DH: "ireo vahoaka novonjen'i Kristy tamin'ny fandatsahana ny rany teo amin'ny hazo fijaliana"

Tamin'ny rà

Eto ny"rà" dia manambara ny fahafatesan'i Kristy.

ho avy eo aminareo ireo amboadia masika ary tsy hiantra an'ireo ondry

Ity dia sarin'ireo olona izay mampianatra foto-pampianarana diso sy manimba ny fiarahamonina mpino toy ny hoe amboadia izay mihinana ireo ondry. DH: "maro ireo fahavalo ho tonga eo aminareo ary hiezaka hanisy ratsy ny fiarahamonin'ireo mpino"

mba hitarika ireo mpianatra hanaraka azy ireo.

Ny mpampianatra sandoka dia handresy lahatra ireo mpino mba hino ny fampianaran-dison'izy ireo toy ny hoe mitarika ondry hiala amin'ny andian'ondry izy mba hanaraka azy. DH: "mba handresy lahatra ny olona izay mpianatr'i Kristy ho tonga ho mpianany"