plt_tn/act/19/26.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Demetrio dia anohy niresaka tamin'ilay mpanao asa tanana.

Hitanao sy renao izany

"Nanjary nahalala sy nahatakatra ianao fa"

nampiova olona maro

Ny fampijanonan'i Paoly ireo olona hiala amin'ny fanompoam-tsampy dia toy ny hoe i Paoly dia nanova ara-bakiteny ny vahoaka tamin'ny fomba samihafa. DH: "nahatonga olona maro tsy hivavaka amin'ireo andriamanitra eo an-toerana"

Milaza izy fa tsy misy andriamanitra vita tamin'ny tànana

Eto ny teny hoe "tanana" dia afaka manondro ny olona rehetra. DH: Milaza izy fa tsy misy andriamanitra vita tamin'ny tànan'ny olona" na "Lazainy fa ny sampy izay ataon'ny olona dia tsy tena andriamanitra "

ny varotsika ihany no tsy ho ilaina intsony

DH: "fa tsy te hividy sampy intsony ny vahoaka"

ny tempolin'ny andriamanim-bavy lehibe Diana ihany koa dia azo heverina ho tsy misy dikany.

DH: "hihevitra ny vahoaka fa tsy mahasoa ny mandeha any amin'ny tempoly hanompo ilay andriamani-bavy lehibe Diana"

mety ho very voninahitra izy avy eo

Ny maha lehibe an'i Diana dia avy amin'ny eritreretin'ny olona momba azy fotsiny ihany.

izy izay tompoin'ny Asia rehetra sy izao tontolo izao

Izany dia fanitarana mba hampisehoana fa tena nalaza iilay andriamanibavy Diana. Eto ny teny hoe "Azia" sy "izao tontolo izao" dia manondro ireo olona avy any Azia sy ny tontolo sasany. DH: "izay notompon'ny olona maro tany Azia sy any amin'ny faritra hafa amin'izao tontolo izao"