plt_tn/act/18/04.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

I Silasy sy Timoty dia namonjy an'i Paoly.

niady hevitra tao amin'ny synagoga isaky ny Sabata i Paoly

"Niady hevitra i Paoly". Nanome antony izy. Midika izany fa tsy niresaka fotsiny i Paoly, fa niresaka sy nifampiresaka tamin'ireo olona.

Nandresy lahatra ireo Jiosy sy Grika izy

Ireo azo handikana azy 1) "Izy no nahatonga ireo Jiosy sy Grika mba hino" na 2) "Izy dia nanohy nandresy lahatra ireo Jiosy sy Grika."

noteren'ny Fanahy hanambara amin'ireo Jiosy fa Jesosy no Kristy i Paoly

DH: "noteran'ny Fanahy i Paoly"

nanofaofa ny lambany

Izany dia fihetsika hampisehoana fa tsy hiezaka ny hampianatra ireo jiosy momban'i Jesosy intsony i Paoly. Navelany ho amin'ny fitsaran'Andriamanitra izy ireo.

Ho eo amin'ny lohanareo anie ny rànareo

Eto ny "rà" dia manambara fahamelohana tamin'ireo zavatra nataon'izy ireo. Eto ny "loha" dia manondro ny olona rehetra. Nolazain'i Paoly tamin'ireo Jiosy fa tompon'andraikitra amin'ny fitsarana izay hiatrehany ny hatezerany izy ireo raha tsy mibebaka. DH: "Ianao irery no tompon'andraikitra amin'ny famaizana ny fahotana"