plt_tn/act/15/19.md

1.9 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Namarana ny laha-teniny tamin'ireo Apostoly sy lohona i Jakoba.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Eto i Jakoba, ireo Apostoly ary ireo lohona dia voaray ao anatin'ny teny "isika"

tsy tokony hanakorontana ireo avy amin'ny Jentilisa

Azonao atao ny manazava mazava hoe ahoana no tsy tian'i Jakôba hanakorontana ireo Jentilisa. DH: "isika dia tsy tokony hangataka ireo Jentilisa ho foraina sy hankatò ny lalàn'i Mosesy"

nitodika tamin'Andriamanitra

Ny olona iray manomboka mankatò an'Andriamanitra dia voalaza fa toy ny hoe mitodika amin'Andriamanitra ny olona

tsy maintsy miala amin'ny fahalotoan'ireo sampy izy ireo, amin'ny fahavetavetana, ary amin'ny henan'ireo biby voakenda, sy amin'ny rà izy ireo

Ny fahavetavetana, famonoana biby, ary ny fisotroana rà dia matetika no anisan'ny fombam-pivavahana hanompoana sampy sy ireo andriamanitra diso.

fahalotoan'ireo sampy

Izany dia mety midika hoe mihinana henam-biby izay nataon'ny olona sorona ho an'ny sampy na izay zavatra tokony hatao amin'ny fanompoan-tsampy.

voakenda, sy amin'ny rà

Andriamanitra dia tsy namela ireo Jiosy hihinana hena izay mbola nisy ny rà tao anatiny. Mbola voarara koa ny fisotroan-drà, na dia teo aza ny asa soratr'i Mosesy ao amin'ny Genesisy. Noho izany dia tsy afaka nihinana biby izay novonoin'ny olona izy ireo satria tsy afaka tanteraka ny rà tamin'ny vatan'ilay biby.

Mosesy dia efa voambara tamin'ny isan-tanàna tamin'ny andro fahiny ary izy dia vakiana ao amin'ireo synagoga isaky ny Sabata."

Jakoba dia milaza fa ireo Jentilisa dia mahalala ny maha-zava-dehibe ireo fitsipika ireo satria ireo Jiosy dia mitory azy ireo any amin'ny tanàna rehetra izay misy ny synagoga. Izany koa dia midika fa ireo Jentilisa dia afaka manatona ireo mpampianatra avy ao amin'ny synagoga mba hianatra bebe kokoa momba ireo fitsipika ireo.

vakiana

Eto ny "Mosesy" dia miresaka momba ilay lalàna. DH: "mamaky ny lalàn'i Mosesy"