plt_tn/act/15/10.md

1.1 KiB

Fampifandraisana ny foto-kevitra

Mifarana ny resak'i Petera tamin'ireo Apostoly sy ireo loholona.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Petera dia mampiditra ny mpihaino azy amin'ny fampiasany "antsika" sy "isika".

Ary

Tsy midika izany hoe "amin'izao fotoana izao", fa ampiasaina mba hisarihana ny saina ho amin'ilay teboka manan-danja manaraka aoriana.

nahoana ianareo no mitsapa an'Andriamanitra, hoe tokony hametrahanareo zioga eo amin'ny vozon'ireo mpianatra nefa na ny razantsika na isika aza tsy mahavita milanja?

Nampiasa fanontaniana i Petera mba hilazana amin'ireo mpino jiosy fa tsy tokony hangataka ireo tsy mpino izy ireo hanao ny famorana vao ho voavonjy. DH: "Aza maka mitsapa an'Andriamanitra amin'ny fametrahana enta-mavesatra amin'ireo tsy mpino Jiosy izay tsy zakantsika jiosy ho lanjaina."

razantsika

Io dia manondro ireo razambe Jiosy.

Nefa mino isika fa ho voavonjy amin'ny alalan'ny fahasoavan'i Tompo Jesosy, toa azy ireo ihany koa.

DH: "Saingy mino isika fa ny Tompo Jesosy dia hamonjy antsika amin'ny fahasoavany, toy ny namonjeny an'ireo mpino tsy Jiosy"