plt_tn/act/11/22.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ao amin'ireto andininy ireto, ny teny hoe "izy" dia manondro an'i Barnabasy. Ny teny hoe "izy ireo" dia manondro ireo mpino ao amin'ny fiangonana any Jerosalema.

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny

Ny teny hoe "izy ireo" sy "azy ireo" dia manondro ireo mpino vaovao.

sofin'ny fiangonana

Eto ny "sofina" dia manondro ny fandrenesan'ireo mpino momban'ilay zava-niseho. DH: "ireo mpino ao am-piangonana"

nahita ny fanomezan'Andriamanitra

"nahita ny fahasoavan'Andriamanitra" na "ny fomba nanehoan'Andriamanitra hatsaram-panahy tamin'ireo mpino"

nampahery azy rehetra

"Izy dia nanohy nampahery azy ireo"

hitoetra miaraka amin'ny Tompo

"hitoetra ho mahatoky an'ny Tompo" na "hitohizan'ny fahatokiana ny Tompo"

amin'ny fon'izy ireo rehetra

"tanteraka"

feno ny Fanahy masina

Ny Fanahy Masina dia nanara-maso an'i Barnabasyt raha nankatò ny Fanahy Masina izy.

olona maro no niampy ho an'ny Tompo

Eto ny "niampy" dia midika fa tonga hino ny zavatra mitovy amin'ireo hafa izy ireo. DH: "nihamaro kokoa ny olona nino ny Tompo"