plt_tn/act/11/19.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Lioka dia nitantara ny zava-nitranga tamin'ireo mpino nitsoaka taorian'ny nitoraham-bato an'i Stefana.
# Ary
Izany dia mampiditra ny ampahany vaovao amin'ny tantara.
# ireo izay naparitaka noho ny fanenjehana izay niatomboka tamin'ny fahafatesan'i Stefana dia niely
DH: "ny fanenjehana izay nanomboka tamin'ny nahafatesan'i Stefana dia nanasaraka sy nampiparitaka ireo mpino" na "ny fampahoriana izay nanomboka taorian'ny namonoan'ireo mpitarika Jiosy an'i Stefana dia nitarika ireo mpino handao an'i Jerosalema, ary niparitaka"
# tamin'ireo Jiosy irery ihany
Ny mpino dia nihevitra fa ny hafatr'Andriamanitra dia ho an'ireo Jiosy fa tsy ho an'ireo Jentilisa.
# niresaka tamin'ireo Grika ihany koa
Ireo Grika niteny dia Jentilisa fa tsy Jiosy. DH: "dia niresaka tamin'ireo Jentilisa izay niteny grikaihany koa"
# Ny tanan'ny Tompo dia niaraka tamin'izy ireo
Ny tanan'Andriamanitra dia midika ny heriny. DH: "Andriamanitra dia nanome hery ireo mpino mba ahomby amin'ny fitoriana"
# nitodika tamin'ny Tompo
Midika izany fa tsy nino ny andriamanitr'izy ireo taloha intsony izy ireo ary nanomboka nino an'i Jesosy.