plt_tn/act/07/26.md

996 B

Fampahafantarana amin"ny ankapobeny

Eto ny teny "isika" dia maneho ireo Israelita ary i Mosesy dia tsy ao anatiny.

ireo Israelita sasany

Ny mpihaino dia mahafantatra tamin'ny alalan'ny tantaran'i Eksodosy fa izy ireo dia lehilahy roa fa tsy nofaritan'i Stefana mazava tsara.

nampitony ny tsirairay avy izy

"nampitsahatra azy ireo tsy hiady"

Ry lehilahy, ianareo dia mpirahalahy

Niresaka tamin'ireo Israelita izay niady i Mosesy.

maninona ianareo no mifandratra?

Nametraka io fanontaniana io i Mosesy mba handrisika azy ireo hijanona tsy hiady. DH: "Ianareo dia tsy tokony hifandratra!"

Iza no nanendry anao ho mpanapaka sy hitsara anay?

Nametraka io fanontaniana io ilay lehilahy mba hitenena mafy an'i Mosesy. DH: "tsy manana fahefana eo aminay enao!"

Tianao ve ny hamono ahy, tahaka ny namononao ilay Egyptiana omaly

Nametraka io fanontaniana io ilay lehilahy mba hampitandremana an'i Mosesy fa izy sy ny hafa dia nahafantatra fa i Mosesy no namono ilay Egyptianina.