plt_tn/act/02/40.md

1.4 KiB

Fampifandraisana ifoto-kevitra

Ity no mamarana ny tantara izay nitranga tamin'ny andron'ny Pentekosta. Ny andininy faha 42 dia manokatra fizarana izay manazava ny fomba fiainan'ireo mpino taorian'ny Pentekosta.

nijoroany ho vavolombelona sy nandrisihany azy ireo

"Izy dia niteny sy nangataka tamin-pahamatorana azy ireo." Eto ny teny "nijoro vavolombelona" sy "nandrisika" dia mitovy ny hevitra tiany ambara ary manamafy izay nandrisihan'i Petera azy ireo mafy ny amin'ny hamaliana izay noteniny. DH: "Izy dia nandrisika mafy azy ireo"

Vonjeo ny tenanao amin'ity taranaka ratsy fanahy ity

Izany dia midika fa Andriamanitra dia hanasazy "ity taranaka ratsy fanahy ity." DH: "Vonjeo ny tenananareo amin'ny fanasaziana izay hijalian'ireo olon-dratsy"

izy ireo nandray ny teniny

Eto ny teny "nandray"dia midika fa nanaiky izay nolazain'i Petera fa marina izy ireo. DH: "Nino izay nolazain'i Petera izy ireo.

natao batisa

Azo hadika hoe: "nataon'ny olona Batisa izy ireo"

tokony fanahin'olona teo amin'ny telo arivo teo ho eo no nampiana tamin'io andro io

Azo hadika koa hoe: "nanodidina ny telo arivo fanahy no nanomjy ireo mpino tamin'izany andro izany"

nanodidina ny telo arivo fanahy

eto ny teny "fanahy" dia manambara ireo olona. DH: "nanodidina ny telo arivo olona"

ny fanampahana ny mofo

Izany dia midika fa nifampizara sakafo ary nisakafo niaraka izy ireo.