plt_tn/act/01/17.md

1.3 KiB

Fampifandraisna ny foto-kevitra

Ao amin'ny andininy faha 17 i Petera dia nanohy niteny tamin'ireo mpino izay nanomboka tao amin'ny 1:15

Fampafantarana amin'ny ankapobeny

Ao amin'ny andininy faha 18-19 ny mpanoratra dia mitantara amin'ireo mpamaky ny fampafantarana amin'ny ankapobeny momban'ny fomba nahafatesan'i Jodasy sy ny niantson'ireo olona ilay toerana ilay toerana nahafatesany. Io dia tsy ao amin' ny fizarana misy ny tenin'i Petera.

Fampafantarana amin'ny ankapobeny

Na dia niresaka tamin'ireo vondron'olona manontolo ary i Petera dia eto ny teny hoe ïsika" dia manambara an'ireo Apostoly ihany.

Ankehitriny io lehilahy io

Ny teny hoe "io lehilahy io" dia manambara an'i Jodasy Iskariota.

ny vola azony tamin' ny faharatsiany

"Ilay vola izay azony avy amin'ny asa ratsy nataony." Ny teny hoe: "ny faharatsiany"dia manambara ny famitahan'i Jodasy an'i Jesosy tamin'ireo olona izay namonon azy.

lavo nihohoka teo izy, ka nisokatra sy nipoaka ny vatany, ary nivoaka avokoa ny tsinainy

Izany dia milaza fa i Jodasy dia nianjera avy eny amin'ny toerana avo fa tsy nienjera tsotra fotsiny. Ilay fianjerana dia nahery ka nitarika ny vatany hisokatra. Ny andalana hafa ao amin'ny Soratra Masina dia milaza fa nananto-tena izy.

Sahan-dRà

Rehefa nandre ny fomba nahafatesan'i Jodasy ny olona niaina tao Jerosalema dia nomen'izy ireo anarana ilay saha.