plt_tn/act/01/04.md

28 lines
941 B
Markdown

# Fampifandraisna ny foto-kevitra
Izany dia nitranga nandritran'ireo 40 andro nisehoan'i Jesosy tamin'ireo mpanara-dia Azy taorian'ny nitsanganany tamin'ny maty.
# Fampafantarana amin'ny ankapobeany
Eto ny teny hoe: "Izy"dia manambara an'i Jesosy.
# Rehefa nihaona niaraka tamin'izy ireo Izy
Rehefa nihaona niaraka tamin'ireo Apostoliny i Jesosy
# ny fampanantenan'ny Ray
Io dia manambara ny Fanahy Masina. DH: "ny Fanahy izay nampanantenain'ny Ray ho alefany"
# fa nanao batisa tamin' ny rano tokoa i Jaona, fa ianareo dia hatao batisa amin'ny Fanahy Masina
I Jesosy dia nampitaha ny fomba fanaovan'i Jaona Batisa ireo olona ao anaty rano amin'ny fanaovan'Andriamanitra Batisa ao amin'ny Fanahy Masina.
# fa nanao batisa tamin' ny rano tokoa i Jaona
fa nanao batisa ireo olona tamin' ny rano tokoa i Jaona
# fa ianareo dia tokony hatao batisa
Izany koa dia azo avadika tso-drafitra hoe: "Andriamanitra dia hanao Batisa anareo"