plt_tn/2sa/23/03.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy ny teniny farany i Davida.

Niteny ny Andriamanitr'Israely, niteny tamiko ilay Vatolampin' Israely...tamiko

Eto ny hoe "Andriamanitr'Israely" dia mitovy amin'ny hoe "Vatolampin'Israely" ihany. Ireo andianteny roa ireo dia milaza zavatra mitovy tokoa. Ampitahain'i Davida amin'ny vatolampy Andriamanitra mba hanindriana ny heriny hiarovana ny vahoakany.

Ilay manapaka ny olona amin'ny fahamarinana, ilay manapaka amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra

Ireo fehezanteny roa ireo dia samy milaza fa hanaja an'Andriamanitra sy hanao izay tian'Andriamanitra ho ataony ilay mpanjaka.

amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra

"fanajana an'Andriamanitra"

Izy dia ho tahaka ny fahazavan'ny maraina...famirapiratan'ny masoandro aorian'ny orana

Eto Andriamanitra dia mampitaha ny mpanjaka amin'ny fahazavan'ny maraina sy ny famirapiratan'ny masoandro aorian'ny orana. Ireo dia fomba fiteny avokoa fa ho sitrak'Andriamanitra sy ho fitahiana ho an'ny vahoaka izany mpanjaka izany. Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra iray ihany ary nampiasaina mba hanindriana. DH: "Ho sitraky ny rehetra izy"