plt_tn/2sa/22/01.md

742 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manomboka ho an'i Yaveh ny hiran'i Davida. Mampiasa fifanindrinan-dalana io izy mba hanindriana izay lazainy.

teo an-tanan'ireo fahavalony rehetra, sy teo an-tanan'i Saoly

Io dia fivoarana manomboka amin'ireo fahavalo amin'ny ankapobeny mankamin'ny fahavalon'i Davida manokana, dia i Saoly mpanjaka.

teo an-tanan'

Io sarinteny io dia midika hoe "teo amin'ny herin'ny"

Yaveh no vatolampiko, fiarovana mafy ho ahy

Io sarinteny io dia maneho fivoarana manomboka amin'ny ampahany dia ny "vatolampy" mankany amin'izy manontolo dia ny "fiarovana mafy". Ny fiarovana mafy dia namboarina tamin'ny vatolampy lehibe maro. Io dia midika fa manana ny hery hiarovana ny vahoakany amin'ny ratsy i Yaveh.