plt_tn/2sa/20/11.md

944 B

izay momba an'i Davida

Ny hoe "momba" olona dia midika hoe manohana azy ireo. DH: "izay manohana an'i Davida" na "izay tsy mivadika amin'i Davida"

Nihosona ny ràny teo afovoan'ny lalana i Amasa

"Nandadilady tao amin'ny ràny i Amasa". Mety mbola velona i Amasa ary nikodiadia teo amin'ny ràny, nefa mety efa maty tokoa izy tamin'io fotoana io. Izany dia soritsoritana tahaka izany mba hanehoana fa tena mahatsiravina tokoa ny nijery ny vatany. DH: "Maty nitsirara tao amin'ny ràny i Amasa"

nijanona ny olona rehetra...mandalo eo aminy dia mijanona

Izany dia midika fa tsy nandeha intsony izy ireo fa nijery nandinika ny fatin'i Amasa. DH: "nijanona avokoa ny olona rehetra ary nijery nandinika ny faty...nandalo teo aminy ary nijanona, nijery nandinika ny fatiny"

nafindrany i Amasa

"nentiny ny fatin'i Amasa"

Rehefa avy nesorina teo amin'ny lalana i Amasa

DH: "Rehefa avy nanala an'i Amasa tamin'ny lalana ilay lehilahy"