plt_tn/2sa/19/42.md

1.6 KiB

Koa nahoana ianareo no tezitra amin'izany?

Mametraka io fanontaniana fampisainana io ireo lehilahin'i Joda mba hibedesana ireo lehilahin'i Israely. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Nefa tsy manana antony hahatohina anareo ny amin'izany."

Efa nandany izay novidin'ny mpanjaka ve izahay? Efa nanome fanomezana ho anay ve izy?

Manontany io fanontaniana io ireo lehilahin'i Joda mba hanehoana fa tsy naka na inona na inona tamin'ny mpanjaka izy ireo. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy mbola nividy sakafo ho anay ny mpanjaka, ary tsy mbola nanome fanomezana anay mihitsy izy."

manan-jo kokoa ny amin'i Davida noho ianareo izahay

"manana fanambarana lehibe kokoa amin'i Davida noho ny ianareo izahay." Mety hanampy ny anambarana mazava ny dikan'ny hoe "zo kokoa". DH: "manan-jo hanompo ny mpanjaka sy hiaraka amin'ny mpanjaka noho ianareo kokoa izahay"

Koa nahoana ianareo no manao tsinontsinona anay?

Mametraka io fanontaniana fampisainana io ireo lehilahin'i Israely mba hanehoana ny hatezeran'izy ireo. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy tokony nanao tsinontsinona anay ianareo!"

Moa ve tsy ny tolo-kevitray ny amin'ny hitondrana ny mpanjakanay hiverina no rè voalohany?

Mametraka io fanontaniana fampisainana io ireo lehilahin'i Israely mba hibedesana ny vahoakan'i Joda. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Izahay nanorohevitra voalohany hoe hampody ny mpanjaka izahay!"

ireo tenin'ny lehilahin'i Joda dia mahery kokoa noho ireo tenin'ny lehilahin'Israely

Eto ny hoe "teny" dia manondro ny tenin'ireo lehilahy. DH: "niteny mafy kokoa noho ireo lehilahin'ny Israely ireo lehilahin'i Joda"