plt_tn/2sa/19/34.md

2.1 KiB

Hafiriana moa sisa no andro hiainako, no mbola tokony hiara-hiakatra amin'ny mpanjaka any Jerosalema aho?

Ny tian'i Barzilay ambara eto dia hoe antitra izy ary tsy misy antony ho azy intsony ny hanaraka an'i Davida. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fehezanteny. DH: "Tsy ho velona haharitra taona maro intsony tokoa aho. Tsy misy antony tsara ho ahy ny handeha hiakatra hiaraka amin'ny mpanjaka ho any Jerosalema."

Valopolo taona aho

"80 taona"

Mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy ve aho?

Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Barzilay mba hanindriana ny antony tsy itiavany andeha ho any Jerosalema. Eto ny hoe "tsara" sy "ratsy" dia manondro izay tiana sy izay tsy. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy mahay manavaka izay tiana tsy izay tsy aho."

Mahavita mihinana izay haniko sy sotroiko ve ny mpanomponao?

Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Barzilay mba hanindriana ny antony tsy itiavany andeha ho any Jerosalema. Eto ny hoe "tsara" sy "ratsy" dia manondro izay tiana sy izay tsy. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy afaka mankafy ny tsiron'izay hohaniko sy sotroiko aho."

Moa ve aho mahare ny feon'ny mpihira lahy sy mpihira vavy intsony?

Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Barzilay mba hanindriana ny antony tsy itiavany andeha ho any Jerosalema. Eto ny hoe "tsara" sy "ratsy" dia manondro izay tiana sy izay tsy. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy afaka mandre tsara ny feon'ny lehilahy mpihira sy vehivavy mpihira aho."

Koa nahoana ny mpanomponao no mbola ho vesatra ho an'ny mpanjaka tompoko?

Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Barzilay mba hanindriana fa tsy te ho vesatra ho an'ny mpanjaka izy. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy tokony handeha hiaraka aminao ka ho vesatra ho anao ny mpanomponao."

Koa nahoana ny mpanjaka no dia hamaly fitia ahy tahaka izany?

Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Barzilay mba hanindriana fa tsy fantany izay antony hamalian'ny mpanjaka soa azy tahaka izany. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy aiko hoe nahoana ny mpanjaka no mamaly soa lehibe ahy tahaka izao"