plt_tn/2sa/19/21.md

1.8 KiB

Abisay

Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:18 ihany io anaran-dehilahy io.

Zeroia

Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 2:12 ihany io anaran-dehilahy io.

Tsy tokony ho vonoina ve i Simey noho izany, satria nanozona an'ilay voahosotr'i Yaveh izy?

Tezitra tamin'i Simey tamin'ny nanozonany an'i Davida i Abisay ary nanoro hevitra fa tokony ho vonoina izy. Io fanontaniana io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tokony hovonoina i Simey satria nanozona ny voahosotr'i Yaveh."

voahosotr'i Yaveh

Io dia manondro an'i Davida. Io dia midika fa izy no olona izay nosoran'i Yaveh ho mpanjaka. DH: "ilay olona izay nosoran'i Yaveh ho mpanjaka"

Moa mpifaninona izaho sy ianao...no tokony ho mpanohitra ahy ianareo ankehitriny?

Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hibedesana an'i Abisay. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy misy ifandraisana aminao izahay, ry zanak'i Zeroia! Tsy misy antony tsara tokony hahatonga anao ho fahavaloko androany."

Tokony hisy lehilahy ho vonoina ve eto Israely anio? Fa moa tsy fantatro ve fa izaho no mpanjakan'Israely anio?

Mampiasa io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hibedesana an'i Abisay. Io dia afaka soratana ho fehezanteny. DH: "Tsy misy olona hovonoina ato amin'ny firenen'Israely androany, satria izaho no iray izay mpanjaka manapaka ny Israely rehetra anio."

Tokony hisy lehilahy ho vonoina

Io andianteny hoe "ho vonoina" io dia midika hoe halatsaka aina. DH: "Hisy olona ho vonoina ve" na "Ho didiako ho faty avokoa ny olona rehetra"

Fa moa tsy fantatro ve fa izaho no mpanjakan'Israely anio?

Ireo mety ho hevin'io fanontaniana fampisainana io dia 1) "Fantatro fa mbola mpanjakan'i Israely aho." (UDB) na 2) "Izaho no iray izay mpanjaka manapaka ny Israely ankehitriny!"