plt_tn/2sa/17/17.md

814 B

Jonatana...Ahimaza

Adikao tahaka ny nanaovanao izany tao amin'ny 15:27 ihany ireo anaran-dehilahy ireo.

Rehefa tonga ny hafatra

Eto ny hoe "hafatra" dia resahina toy ny hoe ho tonga eo amin'izy ireo, raha ny tena marina dia ilay vehivavy no tonga ka nitondra ilay hafatra. DH: "Rehefa nitondra hafatra ho azy ireo izy"

tamin'io fotoana io

"fotoana iray''

Dia nivoaka faingana i Jonatana sy Ahimaza

Io dia midika fa fantatr'izy ireo fa nilaza tamin'i Absaloma ilay tovolahy fa hoe tao izy ireo. Izany dia afaka ambara mazava. DH: "Fantatr'i Jonatana sy Ahimaza izay nataon'ilay tovolahy, koa nandeha niala tao izy ireo"

loharanon'i En-rogela...Bahorima

Ireo dia anaran-toerana, samy akaikin'i Jerosalema. Bahorima dia tanàna kely.

nidinan'izy ireo

"nampidina ny tenany izy ireo ary niafina"