plt_tn/2sa/17/08.md

36 lines
1.5 KiB
Markdown

# toy ny bera very anaka
Ny hatezeran'ireo miaramila eto dia ampitahaina amin'ny an'ny renina bera izay nalaina taminy ny zanany. DH: "izy ireo dia tezitra, tahaka ny renina bera izay nalaina taminy ny zanany" na "tena tezitra indrindra izy ireo"
# bera
biby lehibe voloina izay mandeha tongotra efatra ary manana hoho sy nify maranitra
# Lehilahy mpiady
Io dia midika fa niady tamin'ny ady maro izy ary mahay ireo fomba fiady tokoa. DH: "niady tao anatin'ny ady maro'' (UDB)
# Indro
Io teny io dia nampiasaina mba hisarihana ny sain'ny olona amin'izay holazaina manaraka. DH: "Henoy"
# lavaka
lavaka lalina ambanin'ny tany
# na any an-toeran-kafa
Io dia toeran-kafa mety hiafenany. DH: "na miafina any amin'ny toeran-kafa any"
# Rehefa misy maty eo am-panombohan'ny fanafihana ny lehilahinao sasany
DH: "rehefa mamono ny sasany amin'ireo lehilahinao ireo miaramilany"
# Misy famonoana mitranga eo amin'ireo miaramila izay manaraka an'i Absaloma
Ny anarana hoe "famonoana" dia midika tranga izay hamonoana olona maro amin'ny fomba mahatsiravina. Io dia afaka ambara amin'ny matoanteny. DH: "Maro tamin'ireo miaramila izay nanaraka an'i Absaloma no novonoina" na "Ireo miaramila fahavalo dia namono maro tamin'ireo miaramila izay nanaraka an'i Absaloma"
# izay tahaka ny fon'ny liona ny fon'izy ireo
Eto ireo miaramila dia tondroina amin'ny "fon'izy ireo". Ny herim-pon'izy ireo be ihany koa dia ampitahaina amin'ny an'ny liona. DH: "izay mahery fo tahaka ny liona" na "izay tena mahery fo"