plt_tn/2sa/12/21.md

1.2 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Ireo andininy ireo dia misy fanontaniana fampiasainana izay hanindriana fa tonga saina i Davida fa efa namela izany hitranga i Yaveh.

Iza no mahalala na hamindra fo amiko Yaveh na tsia, ka mety ho velona ilay zaza?

Mametraka io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hanindriana fa tsy misy olona nahalala raha hamela ilay zaza ho velona i Yaveh. Io fanontaniana fampisainana io dia afaka adika ho fanambarana. DH: "Tsy misy mahalala na hamindra fo amiko i Yaveh na tsy la ho velona ihany ilay zaza."

Fa ankehitriny maty izy, koa nahoana aho no tokony hifady hanina?

Mametraka io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hanindriana fa tsy manana antony hifadian-kanina intsony izy. Io dia afaka soratana ho fanambarana. DH: "Ankehitriny dia efa maty izy ka tsy hilaina intsony ny mifady hanina."

Afaka hamerina azy indray ve aho?

Mametraka io fanontaniana fampisainana io i Davida mba hanindriana fa tsy afaka ny ho velona indray ilay zazalahy. Io dia afaka soratana ho fanambarana. DH: "Tsy afaka mamerina ny ainy aho."

Handeha ho any aminy aho

Manazava i Davida fa handeha any amin'ny misy ilay zaza izy rehefa maty. DH: "Rehefa maty aho dia handeha amin'ny misy azy"