plt_tn/2sa/11/04.md

806 B

naka azy

"ary naka azy izy". Eto izany dia milaza fa naka ilay vehivavy i Davida, nefa tena ireo mpitondra hafatra izay nirahiny tokoa no naka azy sy nitondra azy teo aminy. DH: "ary nentin'izy ireo teo aminy izy"

tonga tany aminy izy, ary niara-nandry taminy izy

Ny andianteny hoe "tonga tany aminy izy" dia fanoritsoritana an-tsary an'i Davida niray tamin'ilay vehivavy. Ireo andianteny roa ireo dia manana hevitra iray ihany ary nampiasaina miaraka mba hanindriana fa niara-nandry izy ireo. DH: "niara-nandry taminy izy" na "niray taminy izy"

fadim-bolana

fotoan'ny vehivavy isam-bolana

nampaniraka sy niteny an'i Davida izy; hoy izy hoe: ''Bevohoka aho.''

Eto ny teny hoe "nampaniraka" dia midika fa naniraka mpitondra hafatra izy. Naniraka azy mba hilaza amin'i Davida izy fa bevohoka"