plt_tn/2sa/07/10.md

1.6 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Manohy manoritsoritra ireo fampanantenany tamin'i Davida Mpanjaka tamin'ny alalan'i Natana mpaminany i Yaveh.

Hisafidy toerana iray ho an'Israely vahoakako Aho

"Hifidy toerana iray ho anao Aho"

hamboly azy ireo any

Ny nanaovan'i Yaveh ny vahoaka mba hipetraka amin'ny tany vonjimaika sy milamina dia resahina toy ny hoe hamboly azy ireo amin'ny tany izy.

ary tsy ho voakorontana intsony

DH: "ary tsy hisy olona hanakorontana azy ireo mihitsy"

hatramin'ny andro

Eto ny hoe "andro" dia manambara ny fe-fotoana iray. DH: "hatramin'ny fotoana"

nandidiako ireo mpitsara

Taorian'ny nidiran'ny vahoakan'ny Israely ny tany Kanana sy talohan'ny nananan'izy ireo mpanjaka mba hanapaka azy ireo, dia nanondro mpitarika antsoina hoe "mpitsara" Andriamanitra mba hitarika azy ireo amin'ny fotoan'ny fahoriana.

Ankehitriny Aho dia hanome fitsaharana anao amin'ireo fahavalonao rehetra...manambara aminao fa hanao trano ho anao Aho

DH: "Ankehitriny dia hanome fitsaharana ho anao amin'ireo fahavalo rehetra Aho...ambarao aminy fa hanao trano ho azy Aho"

hanome fitsaharana anao amin'ireo fahavalonao rehetra

"Hanome fiarovana anao amin'ireo fahavalonao Aho." Eto ny hoe "fitsaharana"dia anarana. DH: "Hatsahatro manafika anao ireo fahavalonao"

hanao trano ho anao Aho

Eto ny ny sarinteny hoe "trano" dia manondro ireo razamben'i Davida manomboka mitohy ho mpanapaka ny Israely. Ao amin'ny 7:3 dia nanontany an'i Davida i Yaveh raha izy no ho iray izay hanao trano ho an'i Yaveh. Ao ny hoe "trano" dia manambara tempoly. Raha misy teny afaka hilazana ireo hevitra roa ireo ny fiteninao, dia ampiasao eto sy ao amin'ny 7:4 izany.