plt_tn/2sa/02/26.md

1.4 KiB

niantso

"nihiaka" na "nivazavaza"

Tsy maintsy handrapaka mandrakizay ve ny sabatra?

Io fanontaniana fampisainana io dia anindriana fa efa nanomboka efa ela ny ady. Eto ny hoe "sabata" dia manondro ny fiadiana. Ny famonoana amin'ny ady dia resahina toy ny hoe nisy bibidia nihinana ireo miaramila. DH: "Tsy ilainay ny mbola hampiasa ireo sabatray mba hiady sy hifamono".

Tsy fantatrao ve fa hangidy izany any amin'ny farany?

Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hanerena an'i Joaba hiaiky fa ny ady mitohy dia miafara amin'ny fijaliana bebe kokoa. Eto ny hoe "mangidy" dia fanalefahana ny hoe fijaliana be izay hitranga. DH: "Fantatrao tsara fa hisy fiafarany ratsy raha mitohy izany!"

Mandra-pahoviana ianao vao hiteny ny olonao mba hitsahatra tsy hanenjika ny rahalahiny izy ireo?

Io fanontaniana fampisainana io dia natao handresen-dahatra an'i Joaba mba hanatsahatra ny fiadiana amin'ireo Israelita namany. Eto ny hoe "rahalahy" dia nampiasaina mba hanambarana ireo mpikambana amin'ny firenen'ny Israely. DH: "Atsaharo izany ankehitriny mba tsy hifamono ireo Israelita!"

Raha mbola velona koa Andriamanitra

Io dia voady tena mafy. DH: ''Miaraka amin'Andriamanitra ho vavolombeloko" na "Hanamafy Andriamanitra fa Izaho dia ho izay lazaiko"

raha tsy niteny izany ianao...nanenjika ireo rahalahin'izy ireo mandra-maraina

Io fanambarana petra-kevitra io dia milaza izay mety hitranga raha tsy niteny tamim-pahendrena an'i Joaba i Abnera.