plt_tn/2sa/02/22.md

956 B

Nahoana aho no tokony hamely anao amin'ny tany

Io fanontaniana fampisainana io dia nampiasaina mba hampitandremana an'i Asahela ny amin'ny loza hatrehany. Ny hoe "Nianjera tamin'ny tany" dia fomba mihaja hilazana hoe "mamono". DH: "Tsy te hamono anao aho"

Ataoko ahoana ny hanatri-tava an'i Joaba, rahalahinao?

Io fanontaniana fampisainana io dia anindriana fa tsy te hiady sy hamono an'i Asahela i Abnera satria mety hamotika ny fifandraisan'i Abnera amin'i Joaba izany. Eto ny hoe "hanatri-tava amin'i Joaba" dia fomba fiteny izay midika fa ho menatra indrindra ny hijery an'i Joaba izy. DH: "Ho menatra indrindra ny hijery ny rahalahinao, Joaba aho"

hivily

Izany dia midika hoe "mijanona" na "mitsahatra mihaza".

antsin-defony

Io dia manondro ny fihazonana, izay tsy maranitra na natao handevehana zavatra. Mety ho midika izany fa niezaka ny hanatsahatra an'i Asahela amin'ny fanarahana azy i Abnera, ary tsy nanan-kevitra ny hamono azy.