plt_tn/2sa/01/11.md

1.2 KiB

nandrovitra ireo fitafiany i Davida...nanao toy izany koa ireo olona rehetra niaraka taminy

Nandrovitra ny fitafiany ho famantarana fa misaona noho ny fahafatesan'i Saoly mpanjaka i Davida sy ireo lehilahiny.

ho an'ireo vahoakan'i Yaveh, ary ho an'ny ankohonan'Israely

Midika zavatra mitovy ihany ireo fanambarana roa ireo. Ny teny hoe "ankohonana" dia sarinteny izay manambara ireo taranak'Israely. Nefa, ny "vahoaka" sy ny "ankohonana" dia mety ho fibangoan-teny samy manambara ireo miaramilan'ny Israely avokoa. DH: "ho an'ireo miaramila Israelita"

Yaveh

Io dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoakany tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny fandikana ny teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.

lavo tamin'ny sabatra izy ireo

Eto ny hoe "lavo" dia fomba mihaja hanondrona fa hoe novonoina. Ny hoe "sabatra" ihany koa dia manambara ady. DH: "maty an'ady izy ireo" na "novonoin'ireo fahavalo tao an'ady izy ireo" Eto io dia midika hoe ''efa novonoina".

Avy aiza ianao?

Efa nambaran'ilay lehilahy fa Amalekita izy tao amin'ny 1:8. Manontany ilay lehilahy mba hanamafisana izany tokoa i Davida noho ny fitsarana matotra izay hotononin'i Davida amin'ilay lehilahy.