plt_tn/2pe/02/04.md

44 lines
1.7 KiB
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Petera dia nanome ohatra avy amin'ny olona izay nanohitra an'Andriamanitra ary izay nosazian'Andriamanitra noho ny nataon'izy ireo.
# Tsy namindra fo
''Tsy nijanona amin'ny fanasaziana'' na ''manasazy.''
# Natolony ho any amin'ny helo izy ireo
Ny teny hoe: ''helo'' dia manondro toerana izay hanasaziana ireo fanahy ratsy sy ireo olon-dratsy izay maty. DH: ''noroahiny ho any amin'ny helo izy ireo.''
# Mba ho voatazona amin'ny gadran'ny fahamaizinana
DH: ''izay hitazomany azy ireo amin'ny gadran'ny fahamaizinana.''
# Voatazona amin'ny gadran'ny fahamaizinana
Mety ho dikany dia izao: 1) "voatazona ao amin'ny toerana maizim-be" na 2) "ao anaty haizim-pito lalina izay hamatorana azy ireo toy ny rojo."
# Mandra-pihavin'ny fitsarana
Izany dia manondro ny andron'ny fitsarana izay hitsaran'Andriamanitra ny olona rehetra.
# Tsy namela izao tontolo izao taloha Izy
Eto ny teny hoe: ''izao tontolo izao'' dia manondro ireo izay niaina tao. DH: ''Izy dia tsy namela ireo olona izay niaina tao amin'ny tontolo fahiny.''
# Namonjy an'i Noah ... miaraka amin'ny fito hafa
Andriamanitra dia tsy namotika an'i Noa sy ireo olona fito hafa raha toa ka namotika ireo olona ambiny izay niaina tao amin'ny tontolo fahiny Izy.
# Nanao ireo tanànan'i Sodoma sy Gomora ho lavenona
''Nandoro ireo tanànan'i Sodoma sy Gomora tamin'ny afo mandra-paha lavenona izany sisa."
# Nanameloka azy ireo ho amin'ny fahapotehana
Eto ny teny hoe: "azy ireo" dia manondro an'i Sodoma sy Gomora ary ireo olona izay niaina tao.
# Ho toy ny ohatra amin'izay hitranga amin'ny ratsy fanahy
Sodoma sy Gomora dia natao ho ohatra ary fampitandremana ny amin'izay hiseho amin'ireo izay tsy mankatoa an'Andriamanitra.