plt_tn/2pe/02/01.md

36 lines
1.7 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Petera dia nanomboka nampitandrina ireo mpino mahakasika ireo mpampianatra sandoka.
# Ny mpaminany sandoka dia tonga teo amin'ny olona, ary ny mpampianatra sandoka ihany koa dia ho avy eo aminareo
Tahaka ireo mpaminany sandoka izay tonga handiso fanantenana ny Israely tamin'ireo teniny, dia hisy mpampianatra sandoka koa ho tonga hampianatra lainga mahakasika an'i Kristy.
# Sain-diso mamotika
Ny teny hoe: ''sain-diso'' dia manondro ireo hevitra izay mifanohitra amin'ny fampianaran'i Kristy sy ireo apostoly. Ireo sain-diso ireo dia mamotika ny finoan'ireo izay mino azy ireo.
# Ny Tompo izay nividy azy ireo
Ny teny hoe: ''Tompo'' eto dia manondro ireo olona izay manana mpanompo. Petera dia miresaka an'i Jesosy tahaka ny tompon'ny olona izay novidiny, ny fahafatesany no vidiny.
# Fijejojejoana
''Fitondran-tena maloto.''
# Ny lalan'ny fahamarinana dia hitenenan-dratsy
Ny andian-teny hoe: ''lalan'ny fahamarinana'' dia manondro ny finoan'ireo Kristiana ho toy ny lalana marina mankany amin'Andriamanitra. DH: ''ireo tsy mpino dia hiteny ratsy ny lalan'ny fahamarinana.''
# Hanararaotany anareo miaraka amin'ny teny mamitaka
''Mandresy lahatra anao mba hanome vola azy ireo amin'ny filazana lainga anao.''
# Tsy ho ela ny fanamelohana an'izy ireny; tsy matory ny fahapotehan'izy ireny
Petera dia miresaka ny ''fanamelohana'' sy ny ''fahapotehana'' toy ny hoe olona manao zavatra. Ireo andian-teny roa ireo dia midika zavatra mitovy ary manamafy fa tsy ho ela dia hohelohina ireo mpampianatra sandoka.
# Tsy ho ela ny fanamelohana an'izy ireny; tsy matory ny fahapotehan'izy ireny
DH: ''Andriamanitra dia hanameloka tsy ho ela azy ireo; Izy dia vonona ny hanapotika azy ireo.''