plt_tn/2pe/01/19.md

2.5 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Petera dia nanomboka nampitandrina ireo mpino mahakasika ireo mpampianatra sandoka.

Isika dia manana ity teny faminaniana izay efa natao mafy orina ity

Ireo zavatra izay hitan'i Petera sy ireo apostoly hafa, izay nofaritany ao amin'ireo andininy teo aloha, dia manamafy izay nolazain'ireo mpaminany. DH: "Ny zavatra izay hitantsika dia mahatonga ny teny faminaniana ho azo antoka kokoa.

Isika dia manana

Eto ny teny hoe: "isika" dia manondro ireo mpino rehetra, anisan'izany i Petera sy ireo mpamakiny.

Ity teny faminaniana

Izany dia manondro ny Testamenta Taloha. DH: "ny Soratra Masina, izay noresahin'ireo mpaminany."

Tokony hitandrina izany tsara ianareo

Petera dia nampianatra ireo mpino mba handinika tsara ny hafatra amin'ny faminaniana.

Izany dia tahaka ny jiro mazava ao anaty haizina mandra-piavin'ny maraina

Petera dia nampitaha ny teny faminaniana amin'ny jiro izay manome hazavana ao anaty maizina mandra-pihavin'ny hazavan'ny maraina. Ny fiavin'ny maraina dia sarisarin'ny fiavin'i Kristy.

Ny kintan'ny maraina miposaka ao am-ponareo

Petera dia miresaka an'i Kristy toy ny "kintana maraina," izay maneho fa efa antomotra ny andro sy ny faran'ny haizina. Kristy dia hitondra hazavana ao am-pon'ireo mpino, mampitsahatra ny fisalasalana rehetra ary mitondra fahatakarana feno momba ny aminy.

Ny kintana maraina

NY ''kintana maraina'' dia manondro ireo planeta Venus, izay miposaka mialohan'ny masoandro ary manondro fa efa akaiky ny andro.

Fantaro aloha izao

''Fantaro aloha izao ho zava-dehibe indrindra.''

Fa tsy misy faminaniana avy amin'ny famoahan-kevitry ny olona

Izany andalana izany dia afaka takarina amin'ny fomba samihafa: 1) ireo mpaminany dia tsy naminany samirery ny faminanian'izy ireo; 2) ny olona dia tokony hiantehitra amin'ny Fanahy Masina mba ahatakarana ireo faminaniana; 3) ny olona dia tsy maintsy mandika ireo faminaniana miaraka amin'ny fanampian'ny fiombonan'ireo mpino Kristiana manontolo.

Notarihan'ny Fanahy Masina ny olona mba hiteny izay notenenin'Andriamanitra.

Ny Fanahy Masina dia nitarika ny olona mba hiteny izay tian'Andriamanitra ho lazain'izy ireo. DH: ''ny olona dia niresaka avy amin'Andriamanitra rehefa notarihan'ny Fanahy Masina izy ireo.''

Olona notarihan'ny Fanahy Masina

Petera dia miresaka ny Fanahy Masina hanampiana ireo mpaminany hanoratra izay tian'Andriamanitra ho soratan'izy ireo toy ny hoe notarihan'ny Fanahy Masina avy any amin'ny toerana iray ho any amin'ny hafa.