plt_tn/2pe/01/08.md

1.3 KiB

Ireo zavatra ireo

Izany dia maneho ny finoana, fahatsarana, fahalalana, fifehezan-tena, fiaretana, ny toetra araka an'Andriamanitra, fitiavan-drahalahy, ary fitiavana, izay noresahin'i Petera tao amin'ny andininy teo aloha.

Tsy ho momba na tsy hamokatra

Petera dia miresaka ny olona iray izay tsy manana ireo toetra ireo tahaka ny hoe izy dia saha izay tsy mahavokatra. Izany dia afaka lazaina amin'ny teny tsara. DH: "Ianao dia hamokatra sy hahavokatra" na "ianao dia hahomby."

Momba na tsy mamokatra

Ireo teny ireo dia mitovitovy amin'ny zavatra iray ihany ary manantitrantitra fa ity olona ity dia tsy hamokatra na hiaina tombontsoa amin'ny fahalalana an'i Jesosy.

Amin'ny fahalalana an'i Jesosy Kristy Tompontsika

Ny hoe "fahalalana" dia afaka adikanao amin'ny fampiasana andian-teny iray. DH: "Amin'ny fahafantaranao an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika."

Na iza na iza tsy ampy ireo zavatra ireo

Izay olona tsy manana ireo zavatra ireo.

Tsy mahita afa-tsy izay akaiky; jamba izy

Petera dia miresaka momba ny olona iray izay tsy manana ireo toetra ireo tahaka ny hoe mahita akaiky na jamba izy satria tsy mahatakatra ny fahatsarany. DH: "Tahaka ny olona mijery akaiky ka tsy mahita ny maha zava-dehibe azy ireo.

Ny fanadiovana azy tamin'ireo fahotany taloha

DH: "Fa nodiovin'Andriamanitra tamin'ny fahotany taloha izy."