plt_tn/2pe/01/01.md

1.3 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Petera dia mamaritra ny tenany ho mpanoratra ary manambara sy miarahaba ireo mpino izay hanoratany.

Mpanompo sy apostolin'i Jesosy Kristy

Petera dia miresaka ny maha mpanompon'i Jesosy Kristy azy. Izy ihany koa dia nomena ny toerana sy fahefana maha apostolin'i Kristy.

Ho an'ireo izay nahazo ny finoana sarobidy io ihany

Petera dia miresaka ny fahamarinana mahakasika an'i Jesosy Kristy ho toy ny zavatra mety horaisin'ireo mpino izao, toy ny hoe zavatra iray izany.

Ho an'ireo izay nahazo

"Ho anao izay nahazo." Petera dia manondro ireo mpino rehetra izay afaka mamaky ity taratasy ity.

Izay noraisinay

Eto ny teny hoe "inay" dia manondro an'i Petera sy ireo apostoly hafa, fa tsy ho an'ireo izay hanoratany. DH: "Noraisinay apostoly."

Hampitomboina anie ny fahasoavana sy ny fiadanana

Andriamanitra dia ilay iray izay afaka manome fahasoavana sy fiadanana ho an'ireo mpino. DH: "Andriamanitra anie hampitombo ny fahasoavanao sy ny fiadananao."

Hitombo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana

Petera dia miresaka ny fiadanana tahaka ny hoe zavatra izay afaka mitombo amin'ny habe sy isa.

Amin'ny fahalalana an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika

Ny hoe "fahalalana" dia afaka adikanao amin'ny fampiasana andian-teny iray. DH: "Amin'ny fahafantaranao an'Andriamanitra sy Jesosy Tompontsika."