plt_tn/2ki/21/04.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mitohy ny tantaran'ny fitondràn'i Manase Mpanjaka.

Ho mandrakizay ao Jerosalema ny anarako

DH: "Ao Jerosalema ny toerana hampahafantarako ny maha izaho ahy."

Nanorina ireo alitara ho an'ny kintan'ny lanitra rehetra tao amin'ireo kianja roan'ny tranon'i Yaveh izy

Midika izany fa nanorina ireo alitara ireo izy mba hahafahan'ny vahoaka manao sorona sy midera ireo kintana. DH: "Nanorina alitara teo amin'ireo kianja roan'ny tranon'i Yaveh izy mba hahafahan'ny vahoaka midera ireo kintana sy manolotra sorona ho azy ireo"

Nataony tao anaty afo ny zanany

Azonao atao ny manazava ny antony nanaovany ny zanany tao anaty afo sy ny zava-nitranga rehefa avy nanao izany izy. DH: "Nodorany ho faty ny zanany mba ho fanatitra ho an'ireo andriamaniny."

naka hevitra

"naka fampahafantarana avy amin'..."

ratsy maro teo imason'i Yaveh

Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsarany sy ny fomba fanapahany hevitra amin'ny zavatra sarobidy iray. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:1 izany. DH: "Nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" na "Nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy"