1.1 KiB
Ny zanaka vavy virjinin'i Ziona
Ny hoe "zanaka vavy virijiny" dia sarinteny ilazana an'i Jerosalema toy ny hoe tanora, feno hery ary tsara tarehy. DH: "Ny vahoaka tsara tarehin'i Jerosalema" Ny fomba fiteny hoe "zanaka vehivavy" dia nampiasain'ireo mpandika baiboly sasany mba hanomezana toetoetra mampiavaka ireo tanàna.
Ny zanaka vavy virjinin'i Ziona manao tsinontsinona anao sy mihomehy ho amin'ny fahafaham-baraka. Ny zanaka vavin'i Jerosalema manifikifi-doha aminao
Mitovy ny hevitr'ireo fehezanteny roa ireo.
Ny zanaka vavin'i Jerosalema
Ny hoe "zanaka vavy" dia sarinteny ilazana ny vahoakan'i Jerosalema. DH: "Ny vahoakan'ny tanànan'i Jerosalema"
manifikifi-doha aminao
Izany fihetsika izany dia sarinteny ilazana fa nanao tsinontsinona ny fireharehan'ireo Asyriana izy ireo. DH: "manao tsinontsinona anao"
nampiandrandranao ny masonao am-pireharehana
Ny hoe "nampiandrandranao ny masonao am-pireharehana" dia sarinteny ilazana ny fiavonavonana misoritra eny amin'ny endrika. DH: "nijery tam-pireharehana fatratra" (UDB)
ilay Masin'Israely
Fomba fiteny ilazana an'i Yaveh, Andriamanitr'Israely.