plt_tn/2ki/18/24.md

949 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola nanohy nilaza tamin'ireo lehilahin'i Hezekia mpanjaka ny hafatra avy tany amin'ny mpanjakan i Asyria i Rabsake.

Hataonao ahoana ny manohitra na dia ny iray amin'ny kapiteny izay kely indrindra amin'ireo mpanompon'ny tompoko aza?

Nametraka izany fanontaniana izany izy mba hanehoany fa tsy manana hery hiadiana ny tafik'i Hezekia. DH: "Ireo mety ho dikany dia 1) "Tsy haharesy na dia ny iray amin'ireo miaramila kely indrindran'ny mpanjaka aza ianao." na 2) "Tsy haharesy ny andiana miaramilan'ny mpanjaka amin'ny alalan'ireo manampehefana tsy manan-danja indrindra ianao."

Moa efa nandeha niakatra tsy nisy an'i Yaveh mba hiady hanohitra sy handrava ity toerana ity ve aho?

Nametraka izany fanontaniana izany izy mba hanehoany fa Yaveh no ao ambadiky ny fahombiazany mba hankatavany ny baiko handravana an'Israely. DH: "Yaveh mihitsy no niteny taminay mba hankatia ka handrava an'ity tany ity!"