plt_tn/2ki/18/19.md

1.1 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Mbola nanohy nilaza tamin'ireo lehilahin'i Hezekia mpanjaka ny hafatra avy tany amin'ny mpanjakan i Asyria i Rabsake.

Inona no loharanon'ny fahatokianao? ... Ary ankehitriny iza no itokianao? Iza no nanome herim-po anao hikomy hanohitra ahy?

Tsy niandry valiny akory ny mpanjakan'i Asyria raha nanontany izany fanontaniana izany an'i Hezekia mpanjaka tamin'ny alalan'ny Rabseka mpitondra ny hafany, fa kosa te-hampiahiahy an'i Hezekia mpanjaka sy ny fanohananan'i Egipta izy. DH: "Aza mahatoky an'iza na iza. Hadalanao ny nikomy nanohitra ahy."

ny tehina volotara torotoron'ny Egypta

Nampitahain'ny mpanjakan'i Asyria tamin'ny tehina malemy, nanantena ianao fa hahazaka ano izany raha mitehina amin'izany ianao, saingy indrisy fa ho tapaka izany ka hanapaka anao. DH: "ny fanohanana malemin'i Egypta"

kanefa raha mitehina amin'izany ny olona, dia hiraikitra eo amin'ny tanany izany ka handoaka izany

Eto ilay olona miresaka dia manitatra ny sarinteny amin'ny fanoritsoritana izay hitranga raha toa ka volotara no ampiasaina ho fianteherana. DH: "kanefa raha misy olona mampiasa izany ho fianteherana, dia haratra izy"