plt_tn/2ki/16/13.md

991 B

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Izao no nataon'i Ahaza mpanjaka rehefa tafaverina avy tany Damaskosy ka namangy ny alitara vaovao izay nandidiany ny hanganana izany.

Nanao ny fanatiny dorana ... izy

Nanao ny fanatiny dorana ... i Ahaza mpanjaka"

teo amin'ny alitara

Ilay alitara izay nasain'i Ahaza natsangan'i Oria no tiana ho lazaina amin'izany.

Ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Yaveh

Ilay alitara izay nahorin'ny Israely efa tany aloha be araka ny toromarik'Andriamanitra izany.

Ny alitara varahina izay teo anatrehan'i Yaveh

Ny andian-teny hoe "anatrehan'i Yaveh" dia sarinteny ilazana ny toerana izay nanehoan'i Yaveh ny voninahiny tany aloha. DH: "Ny alitara varahina izay teo anatrehan'ny tempoly"

teo anoloan'ny tempoly, avy teo anelanelan'ny alitarany sy ny tempolin'i Yaveh ary nataony teo amin'ny faritra avaratry ny alitarany izany.

Ireo andian-teny roa ireo dia samy milaza ny toerana nisy ilay alitara. Teo amin'ny toerana iray ihany izany.