forked from WA-Catalog/plt_tn
20 lines
1.0 KiB
Markdown
20 lines
1.0 KiB
Markdown
# izay marina teo imason'i Yaveh
|
|
|
|
Ny hoe "teo imason'i Yaveh" dia sarinteny ilazana ny fomba fitsaran'i Yaveh. DH: "izay marina araka ny fomba fitsaran'i Yaveh" na "izay heverin'i Yaveh fa marina"
|
|
|
|
# tsy mba nesorina ireo toerana avo
|
|
|
|
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "tsy nisy nanala ireo toerana avo" na "tsy nanana olona hanaka ireo toerana ao i Jotama"
|
|
|
|
# tsy mba nalana
|
|
|
|
Ny hoe "nalana" eto dia midika hoe "noravana." DH: "tsy mba noravana"
|
|
|
|
# Natsangan'i Jotama ny vavahady ambonin'i Yaveh
|
|
|
|
Ny hoe "Natsangan'i Jotama" dia midika fa nampanaovin'i Jotama ireo mpiasany izany. DH: "Nasain'i Jotama natsangan'ireo mpiasany ny vavahady ambony"
|
|
|
|
# moa tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'i Joda ve izany?
|
|
|
|
Nampiasaina izany fanontaniana izany mba ho fampahafantarana na ho fampahatsiahivana ny mpamaky fa ato anatin'ity boky iray hafa ity ny andinindininy mikasika an'i Jotama. Jereo ao amin'ny 8:22 ny fomba nandikanao izany. DH: "voasoratra ao amin'ny Bokin'ny tantaran'ireo mpanjakan'Israely avokoa izany."
|