plt_tn/2ki/14/23.md

1.0 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Izao dia manoritsoritra izay nataon'i Ozia rehefa lasa mpanjaka izy.

Tamin'ny fahadimy ambin'ny folo taona naha-mpanjaka an'i Amazia

'Tamin'ny 15 taona naha-mpanjaka an'i Amazia"

efapolo taona

"40 taona"

ratsy teo imason'i Yaveh

Eto ny hoe "imason'i" dia sarinteny ilazana ny fomba fitsarana na fiheveran'ny olona iray. DH: "ratsy araka ny fihevitr'i Yaveh" na "izay noheverin'i Yaveh fa ratsy"

Tsy niala tamin'ireo fahotana nataon'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata izy

Ny hoe "mijanona" amin'ny fahotana dia resahina toy ny hoe mandao lalana iray. Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Tsy nijanona nanota tahakan'i Jeroboama izy" na "Nanohy ny fahotan'i Jeroboama izy"

Namerina ny sisin-tanin'Israely

Izany dia midika fa namerina ny tany hatrany amin'ny sisin-tany ireo tafiny. DH: "Naka indray ireo faritany izay an'Israely teo aloha ireo miaramilany"

Lebo Hamata

Nantsoina ihany koa hoe Hamata izany tanàna izany.

ny Ranomasin'ny Arabà

"ny Ranomasina Maty" (UDB)