plt_tn/2ki/10/29.md

1.8 KiB

tsy nandao ireo fahotan'i Jeroboama zanaka lahin'i Nebata

Izany dia miresaka ny fanarahan'i Jeho ny fahotana izay nataon'i Jeroboama toy ny hoe toerana iray izay tsy nilaozan'i Jeho. DH: "tsy nitsahatra nanao ireo karazan'ota izay nataon'i Jeroboama zanak'i Nebata" (UDB)

Nebata

Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:1 izany anaran-dehilahy izany.

nampanotàny ny Israely

Eto ny hoe "Israely" dia ilazana ny olona izay nipetraka tao. DH: "nampanotàny ny vahoakan'Israely"

tamin'ny fanatanterahana

"tamin'ny fanaovana"

izay marina teo imasoko

Ny maso dia midika hoe mahita, ary mahita dia midika hoe fomba fiheverana na fomba fitsarana. DH: "izay marina ny fitsaràko" na "izay noheveriko fa marina"

ankohonan'i Ahaba

Eto ny hoe "ankohonana" dia ilazana ny hoe "fianakaviana." DH: "ny fianakavian'i Ahaba"

izay rehetra tato am-poko

Eny ny hoe "fo/am-poko" dia ilazana ny hoe "faniriana/ faniriako." DH: "izay rehetra niriako nataonao" na "izay rehetra nokasaiko nataonao"

hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan(a)

"ho mpanjaka"

hatramin'ny taranaka fahefatra

"hatramin'ny taranaka faha 4." Tafiditra ao amin'izany ny zanany lahy, ny zafikeliny, ny zafiafiny, ary ny zafin-dohaliny.

tsy niraraha izay handeha amin'ny lalàn'i Yaveh ... i Jeho

Eto ny hoe "handeha" dia midika hoe "hiaina." DH: "Tsy nitandrina izay hiaina araka ny lalàn'i Yaveh ... i Jeho"

tamin'ny fony manontolo

Eto ny hoe "fo" dia ilazana ny sitrapo sy faniriana olona iray. DH: "tamin'ny zavatra rehetra izay nataony" na "tamin'ny sitrapony rehetra"

Tsy niala tamin'ny fahotan'i Jeroboama izy

Ny matoanteny "miala" na "miala amin'ny zavatra iray" dia midika hoe mitsahatra tsy manao izany intsony. DH: "Tsy nitsahatra tamin'ny fahotany tahaka ny fanaon'i Jeroboama i Jeho"