plt_tn/2ki/08/22.md

1.7 KiB

Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:

Nodimandry i Jehorama mpanjakan'i Joda ary nandimby azy i Ahazia zanany lahy.

Ka nikomy nanohitra ny fitsipik'i Joda mandraka ankehitriny i Edoma

"Taorian'izay, dia tsy nofehezin'i Joda intsony i Edoma, ary mbola tahaka izany foana izany" (UDB)

ny fitsipik'i Joda

Eto ny hoe "Joda" dia ilazana ny mpanjakan'i Joda. DH: "ny fitsipiky ny mpanjakan'i Joda" na "ny fahefan'ny mpanjakan'i Joda"

mandraka ankehitriny

Tamin'ny fotoana nanoratana ny boky izany.

Nikomy ihany koa i Libna tamin'io fotoana io

Nikomy tamin'ny mpanjakan'i Joda tahaka an'i Edoma ihany koa i Libna. DH: "Nandritra izany fotoana izany ihany, dia nikomy tamin'i mpanjakan'i Joda ihany koa i Libna"

Libna

Izany tanàna izany taloha dia anisan'ny tao anatin'ny faritanin'i Joda . Eto ny hoe "Libna" dia ilazana ny olona monina ao. DH: "ny olon'i Libna"

Ary ny amin'ireo raharaha hafa mahakasika an'i Jerohama

"Raha hamaky misimisy kokoa mahakasika ny tantaran'i Jehorama sy izay nataony"

moa tsy efa voasoratra ... i Joda ve izany?

Izany fanontaniana izany dia napetraka mba ho fampahafantarana na ho fampahatsiahivana ny mpamaky ny andinindininy mahakasika an'i Jehorama. DH: "ireo zavatra ireo dia voasoratra ... Joda." na "azonao vakiana ... Joda ny momba izany."

Maty ary nitsahatra niaraka tamin'ireo razany i Jehorama, ary nalevina niaraka tamin'ireo razany

Eto ny hoe "nitsahatra" dia fomba mihaja ilazana ny olona nodimandry. Rehefa maty izy, dia nentina tany amin'ny toerana izay nisy ireo razambeny ny nofo mangatsiakany. DH: "Maty i Jehorama, nalevina niaraka tamin'ireo razambeny izy"

i Ahazia zanany lahy no tonga mpanjaka nandimby toerany

"Ary tonga mpanjaka i Ahazia, zanaka lahin'i Jehorama rehefa maty i Jehorama"