plt_tn/2ki/07/18.md

36 lines
1.6 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Amin'ity andininy ity ny mpanoratra dia mamintina izay niseho amin'ny famerenana ireo tranga voalaza ao amin'ny 7:1.
# Amin'izao fotoana izao
"Amin'ny fotoana rahampitso toy izao"
# ny vary hordea roa famarana ... koba tsara toto indroan'ny famarana
Ny iray famarana dia mitovy amin'ny 7 litatra. DH: "vary hordea 14 litatra ... koba tsara toto 7 litatra"
# sekely iray
Ny sekely iray dia mari-pandrefesana mitovy amin'ny 11 grama eo ho eo. DH: "volafotsy 11 grama eo ho eo" na "volafotsy madinika iray"
# Indro
"tokoa." Ny teny hoe "indro" eto dia fanasongadinana izay hiseho manaraka.
# na dia hanao varavarankely eny amin'ny lanitra aza i Yaveh
Ny fandatsahan'i Yaveh ranon'orana mivatravatra mba hampaniry ny vokatra dia resahina toy ny hoe manokatra varavarankely eny amin'ny lanitra i Yaveh ary avy amin'izany no ilatsahan'ny ranon'orana. Jereo ao amin'ny 7:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "na dia nampilatsaka ny oram-be avy eny amin'ny lanitra aza i Yaveh"
# hitranga ve izany zavatra izany?
Nametraka izany fanontaniana izany ilay kapiteny mba hanehoany ny tsy finoany. Azo atao fehezanteny tsotra izany. Jereo ao amin'ny 7:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "tsy hitranga mihitsy izany!"
# hahita ny fitrangan'izany amin'ny masonareo ianareo
Ny andian-teny hoe "amin'ny masonareo" dia maneho fa hahita ireo zavatra izay naminanian'i Elisa tokoa ilay kapiteny. Jereo ao amin'ny 7:1 ny fomba nandikanao izany. DH: "ianareo mihitsy no hahita ny fitrangan'ireo zavatra ireo"
# kanefa tsy hihinana amin'izany ianareo
"kanefa tsy hihinana amin'ny koba na vary hordea ianareo"