plt_tn/2ki/06/08.md

1.1 KiB

Ary nanangan'ady tamin'Israely ilay mpanjakan'i Syria

"Ary rehefa niady tamin'Israely ilay mpanjakan'i Syria"

Ary

Nampiasaina ho mari-pihatoana ao amin'ny fizotry ny tantara izany. Eto ny mpanoratra dia manomboka ny fazarana vaovao ao amin'ny tantara.

nanao hoe: "Any amin'ny toerana tahaka izao sy tahaka izao no hitobiako

Nolazain'ny mpanjakan'i Syria tamin'ireo mpanolotsainy ny toerana izay hametrahana ny toby. Eto ny hoe "tahaka izao sy tahaka izao" dia fomba iray ilazana ny andinindininy mikasika ny toerana misy ny toby amin'ny am-bangovangony fotsiny ihany. Raha tsy manana ny tena dikan'izany andian-teny izany amin'ny fiteninao ianao dia azo atao tahaka izao izany. DH: "ary nilaza tamin'izy ireo ny toerana tokony hametrahana ny toby"

ilay lehilahin'Andriamanitra

"Elisa ilay lehilahin'Andriamanitra"

Mitandrema tsy handalo amin'izany toerana izany, fa hidina any ireo Syriana

Nahafantatra tsara ny toerana hananganan'ireo Syriana ny tobin'izy ireo i Elisa ary nanoro hevitra ny mpanjakan'Israely ho an'ireo miaramilany mba tsy handalo amin'izany toerana izany.