plt_tn/2ki/05/13.md

32 lines
1.4 KiB
Markdown

# Ry raiko
Tamin'ny filazana azy hoe "Ry raiko" na "tompoko" no nanehoan'ireo mpanompony ny fanajan'izy ireo an'i Namàna.
# moa tsy nanao izany ve ianao?
Nametraka izany fanontaniana izany ireo mpanompo mba hitenenan'izy ireo mafy an'i Namàna. DH: "nataonao tokoa izany!"
# Koa mainka fa
Eto ilay mpanompo dia nanao fampitahana fa matoa i Namàna nankatò hanao zava-tsarotra dia mahavita mankatò zavatra tsotra ihany koa izy izany. DH: "Hatraiza ny fetran'ny zavatra ankatoavinao" na "Moa tsy vao mainka ary hanakatò izany ianao"
# Koa mainka fa, rehefa miteny tsotra anao izy hoe: 'Ampandroy ny tenanao dia hadio ianao?
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana ilay mpanompo mba hanehoany amin'i Namàna fa tokony hankatò ny didin'i Elisa izy. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tokony mankatò ianao rehefa miteny tsotra anao izy hoe : "Ampandroy ny tenanao ary midiova ianao"
# ilay lehilahin'Andriamanitra
"Elisa, ilay lehilahin'Andriamanitra"
# Niverina toy ny nofon-jazakely indray ny nofony
Izany dia mampitaha ny halefaky ny hoditr'i Namàna taorian'ny nahasitranany amin'ny hoditra zazakely. DH: "Niverina amin'ny laoniny indray ny hodiny ary nalefaka toy ny nofon-jazakely izany" na "Niverina tsara tarehy indray ny hodiny ary malefaka toy ny hodi-jazakely"
# ny nofony
"ny hodiny"
# sitrana izy
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "sitrana ny habokany"