plt_tn/2ki/05/07.md

963 B

nandrovitra ny akanjony izy

Matetika dia mandrovitra ny akanjony ny olona rehefa ao anaty alahelo lehibe. DH: "nandrovitra ny akanjony izy mba hanehoany ny alahelo"

Moa ve Andriamanitra aho, ka hamono na hamelona, no mila ahy hanasitrana lehilahy amin'ny habokany ity lehilahy ity?

Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany ny mpanjaka mba hanehoany fa manafintohina ny fangatahan'ny mpanjakan'i Syria sady zavatra tsy hainy atao. Azo atao fehezanteny tsotra izany. DH: "Tena mihevitra ny mpanjakan'i Syria fa izaho dia karazana Andriamanitra manana fahefana amin'ny fahafatesana sy ny fiainana! Maniry ahy hanasitrana ity lehilahy ity amin'ny habokany izy, nefa tsy mahay manao izany aho."

Ohatran'ny mitady hifanditra amiko izy

Tsy nino ny mpanjakan'Israely fa fangatahana ny hanasitranana an'i Nahàma no tena votoatin'ilay taratasy. Nihevitra izy fa fiatombohana ady ny tena anton'ilay taratasy. DH: "Ohatrany mitady irika hiadiana amiko izy"