plt_tn/2ki/03/11.md

1.1 KiB

Tsy misy mpaminanin'i Yaveh ve eto, hahafahantsika maka torohevitra amin'i Yaveh amin'ny alalany?

Eto i Josafata dia mampiasa fanontaniana fampisainana mba hilazany fa misy mpaminany tokoa eo an-toerana ary tokony ho hita ny misy azy. Azo avadika fehezanteny tsotra izany. DH: "Azoko antoka fa misy mpaminanin'i Yaveh eto! Lazao ahy izay misy azy, mba hahafahanay maka hevitra amin'i Yaveh amin'ny alalany."

Safata

Anaran-dehilahy izany.

izay nandraraka rano teo an-tanan'i Elia

Izany fomba fiteny izany dia midika fa mpanampin'i Elia izy. Ny andian-teny hoe "nandraraka rano teo an- tanana" dia fanoritsoritana ny iray amin'ireo fomba nanompoany an'i Elia. DH: "izay mpanampin'i Elia"

Momba azy ny tenin'i Yaveh

Izany dia midika fa mpaminany izy ary i Yaveh no miteny aminy izay tokony holazainy. DH: "Milaza izay asain'i Yaveh lazaina izy" (UDB)

nidina nankany aminy

Nandeha nihaona tamin'i Elisa izy ireo ary naka hevitra taminy mikasika izay tokona hataon'izy ireo. Azo adika mazava ny tena hevitr'izany andian-teny izany. DH: "nandeha nihaona tamin'i Elisa izy ireo mba hanontany azy izay tokony hataon'izy ireo"